Ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy ao amin’ny fivahiniana sy ny fizahantany dia fandikan-dalàna goavana maneran-tany !
Ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy ao amin’ny fivahiniana sy ny fizahantany dia fantatra maneran-tany fa olana lehibe nanomboka ny fiandohan’ny taona 90, avy amin’ny alalan’ireo fandalinana izay natao nanaporofona ny fisian’ireo mpivahiny tany Asia Atsimo-Atsinanana izay mitady ny hanara-pilana ankizy. Tsy azo raisina ho tompon’andraikitra tamin’ny fanararaotana mamoafady nanjo azy ny ankizy niharana eny fa na dia toy ny nanaiky izany firaisana ara-nofo izany aza izy. Matetika sarotra sy manahirana ity olana ity ary maro ireo mety ho antony mampiroborobo ny fanararaotana mamoafady
Isan-taona, an-tapitrisany ireo ankizy iharan’izany maneran-tany. Iharan’ny fivarotantena, ny sasany nohararaotin’ireo mpivahiny na mpizahantany na/sy ireo tambajotra mivarotra olona. Ankoatr’izany, isan’andro, an-tapitrisany ireo sehoveta mampandray anjara ankizy mivezivezy ao amin’ny aterineto
Amin’izao vanim-potoana mampivelatra ny « fandraisana andraikitra ara-tsôsialy eny amin’ny orinasa » (RSE) izao dia mihabetsaka ireo mpisehatra tsy miankina ao amin’ny fizahantany sy ny fivahiniana no mandray anjara amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny ankizy, ohatra ny fanekena ny fitsipi-pitondrantena ho fiarovana ny ankizy manoloana ny fanararaotana mamoafady mandritra ny fivahiniana sy ny fizahantany (www.thecode.org). Orinasa 245 izay ao amin’ny firenena 38 raha atambatra no efa nanao sonia izany fitsipi-pitondrantena izany.
|