Fifandraisana / Rohy

  Ny Serious Game
 
Tsindrio ny seho safidianao:
Mpikarakara fivahiniana
Fanentanana momba ny fanarararaotana mamoafady amin’ny ankizy.
Mpisera dia
miresaka ny olana fototra momba ny fivarotantenan’ny ankizy amin’ny mpizahatany.
Mpandraharaha fivahiniana
Mandresy lahatra ny mpitantana trano fandraisambahiny mba handray fepetra ka hanao fanoroana ny tranga fanaranam-pilana ankizy.
 
  Momba ilay lalao
 

Ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy dia olana goavana ary ny fiarovana ny tanora amin’izany dia miankina amin’ny olon-dehibe ny ampahany lehibe. Ny fidiranao na/sy ny orinasa misy anao ao amin’ny « serious game » dia fanekenao sahady ny hiaro ny ankizy. Ity fitaovana ity dia manolotra fomba mifamaly, mahomby ary miendrika lalao ahafahana mampiseho amin’ny mpianatra sy ny matihanina ao amin’ny fizahantany ny olana mahakasika izany.   

Ny ankamaroan’ny mpanjifa sy ny ireo mpiara-miasa dia mankasitraka ny  fampahafantarana sy ny fanentanana izay ataon’ny orinasa mandray andraikitra amin’ny fiarovana ny ankizy. Na izany aza, sarotra ny miresaka ny lohahevitra manohitohina.


Amin’ny ankapobeny dia mety tsy hahazo aina ianao hiiresaka izany, na koa tsy te-hiseho ho mpiampanga, na ihany koa, matahotra ny ho very asa na hahazo fahasorenana avy amin’ny mpampiasa raha toa ka miresaka izany amin’ireo mpanjifa.

Sahia mitety ireo toe-java-misy isan-karazany ao anatin’ny lalao – mahafinaritra ny mihantsy toy ny miaina mivantana ireny tranga ireny mihitsy. Diniho tsara ny fihetsik’ireo olona sy ny adi-hevitra mipoitra. Avy amin’ny alalan’ny fanandramanao  ireo toe-java-misy rehetra no ahafahanao manana fahavononana  hiatrika ireo mety endrika hisehoan’izany  amin’ny fiainana andavanandro.



   
 
Mahakasika ilay lohahevitra
 

Ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy ao amin’ny fivahiniana sy ny fizahantany dia fandikan-dalàna goavana maneran-tany !
 
Ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy ao amin’ny fivahiniana sy ny fizahantany dia fantatra  maneran-tany fa olana lehibe nanomboka ny fiandohan’ny taona 90, avy amin’ny alalan’ireo fandalinana izay natao nanaporofona  ny fisian’ireo mpivahiny tany Asia Atsimo-Atsinanana izay mitady ny hanara-pilana ankizy. Tsy azo raisina ho tompon’andraikitra tamin’ny fanararaotana mamoafady nanjo azy ny ankizy niharana eny fa na dia toy ny nanaiky izany  firaisana ara-nofo izany aza izy. Matetika sarotra sy manahirana ity olana ity ary maro ireo mety ho antony mampiroborobo ny fanararaotana mamoafady

Isan-taona, an-tapitrisany ireo ankizy iharan’izany maneran-tany. Iharan’ny fivarotantena, ny sasany nohararaotin’ireo mpivahiny na mpizahantany na/sy ireo tambajotra mivarotra olona. Ankoatr’izany, isan’andro, an-tapitrisany ireo sehoveta mampandray anjara ankizy mivezivezy ao amin’ny aterineto

Amin’izao vanim-potoana mampivelatra ny « fandraisana andraikitra ara-tsôsialy eny amin’ny orinasa » (RSE) izao dia mihabetsaka ireo  mpisehatra tsy miankina ao amin’ny fizahantany sy ny fivahiniana no mandray anjara amin’ny fanamafisana ny fiarovana ny ankizy, ohatra ny fanekena ny fitsipi-pitondrantena ho fiarovana ny ankizy manoloana ny fanararaotana mamoafady mandritra ny fivahiniana sy ny fizahantany  (www.thecode.org). Orinasa 245 izay ao amin’ny firenena 38 raha atambatra no efa nanao sonia izany fitsipi-pitondrantena izany.



   
 
Momba ny ECPAT
 

ECPAT (End Child Prostitution, Child Pornography and Trafficking of Children for sexual purposes – Atsahatra ny fivarotantenan’ny ankizy, ny sehoveta mampandray anjara ankizy ary ny varotra sy famarinana ankizy ho amin’ny filana ara-nofo) dia tambajotra iraisam-pirenena  ivondronana fikambana maro izay misy ao amin’ny firenena 80 ary miady amin’ny fanararaotana mamoafady misy takalony amin’ny ankizy.
Ny « Serious Game » dia noforonina nandritra ny tetikasa  “Don’t Look Away!” aza odiana tsy hita (2012-2015) izay nivondronan’ireo mpikambana ao amin’ny tambajotra ECPAT ao amin’ny firenena eropeanina 16.Ity tetikasa ity izay niarahan’ny vondrona eropeana namatsy vola dia mikendry ny fampiroborobona endrika vaovao ho fiadinana amin’ny fanararaotana mamoafady amin’ny ankizy mandritra ny fivahiniana sy ny fizahantany. Ny iray amin’ireo tanjona dia ny hanaingana ireo mpisehatra ao amin’ny fizahantany, ny sampandraharahan’ny polisy ary ny fahefana ifotony sy ny fanjakana amin’ny alalan’ny fanamafisana ny fahaizan’izy ireo momba ny  fiarovana ny ankizy.



   
 
Rohy
 

Aza odiana tsy hita !

Io tranokala io dia ahafahan’ny tsirairay manoro ireo heverina ho trangam-panararaotana mamoafady amin’ny ankizy, anisan’izany ny any ivelany, amin’ny alalan’ny fandrosoana rohy isan-karazany ahafahana manao fanoroana


www.reportchildsextourism.eu



Ny fitsipi-pitondrantena ho fiarovana ny ankizy amin’ny fanararaotana mamoafady mandritra ny fivahiniana sy ny fizahantany :

www.thecode.org

Hahazo fampahafantarana misimisy kokoa ianao ao amin’ny tranokalan’ny ECPAT iraisam-pirenana

www.ecpat.netsy ireo tranokalan’ny mpikambana ao amin’ny tambajotra.

   
 

Fifandraisana

 

Mpikambana enina ao amin’ny tambajotra iraisam-pirenena izay mandrindra ny tetikasa :

ECPAT Autriche
+43 1 293 16 66
info[at]ecpat.at
ECPAT France
+ 33 1 49 34 83 13
contact[at]ecpat-france.org
ECPAT Allemagne
+49 761 45687 148
info[at]ecpat.de
ECPAT Luxembourg
+352 26 27 08 09
ecpat-luxembourg[at]ecpat.lu
ECPAT Pays-Bas
(Defence for Children)
+31 71 516 09 80
info[at]ecpat.nl
ECPAT Pologne
(Nobody’s Children Foundation)
+48 616 02 68
fdn[at]fdn.pl
  Bouda48 | ECPAT © 2018